Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’nyTanora 2018 Ambovombe Androy.

Ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora na JIJ dia iray amin’ireo fomba lehibe hanavaozana ny fanoloran-tenan’ny olom-pirenena tsirairay ho an’ny tanora. Tahaka ny isan-taona, ny 12 aogositra, ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manamafy indray ny fanoloran-tena ny ho fampandrosoana ny tanora amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny alalan’izao fankalazana ny JIJ izao.Ho an’ity taona ity, ny tanànan’Ambovombe Androy no nofinidy mba hampiantrano ny hetsika ny 10 ka hatramin’ny 12 aogositra 2018. Amin’ny ankapobeny, ny 470 tanora izay avy ao  Atsimo Andrefana, Ihorombe, Menabe, Anôsy ary Androy faritra no ho tonga hanatrika izany fotoana lehibe izany. Ankoatra ny fankalazana ny JIJ, ny andron’ny 12 Aogositra ihany koa, dia hanamarihana amin’ny fanokanana ny Tranoben’ny Tanora sy ny Asa « Maison des Jeunes et de l’Emploi » ao Ambovombe.

Maro ireo sahanasa efa tontosaina mialohan’ny andro ofisialy ho an’ny fankalazana ; Ifandrimbonan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa(OIT),ny Ministeran’ny Indostria sy ny fampandrosoana ny Sehatra tsy miankina ary ny fanohanan’ny PNUD, dia nanofana tanora 60 avy ao Ambovombe ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena momba ny fandraharahana, ny fitantanana ary ny fitantanam-bolany 07, 08 ary 09 aogositra. Madritry ny fampiofanana dia afaka mifanakalo hevitra momban’ny fomba fijeriny mikasika ny toe-draharaha sy ny fiainan’ireo tanora ao Ambovombe (olana sy filàna) ireo mpandray anjara. Amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, ireo tanora voaofana dia hahazo mari-pankasitrahana amin’ny fanatanterahana. Ankoatra izany, raha jerena ny fampandrosoana drafitra stratejika ho an’ny Tanora sy trano ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, Tsihombe sy Ambovombe, ny MJS dia mitarika atrikasa mandritra ny roa andro (08 sy 09 aogositra )amin’ny fandraisan’anjaran’ireompitantana foiben’ny Tanora sy tanora maro avy amin’ireo distrika telo voakasika. Ny drafitra stratejika dia mifantoka amin’ny lohahevitra efatra: ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandraharahana ary ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena vanona. Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ihany koa, dia misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena nanombokany 21 Jolay, ny lalao manasa-dalana amin’nyfifaninanana Basketball dia natao tamin’ny androny 8 aogositra, ny ekipaVantiognenanohitra ny ekipan’ny fo Masina sy ny GNVB nifanandrina amin’i Fivoy.Ny fankalazana ny JIJ dia hitohy hatramin’ny 12 aogositra ary hisy fiaraha-mientana marobe hifanaraka amin’izany mandritra ireo telo andro fankalazana.