
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Champions League Atsimondrano » teny amin’ny kianjan’ Antanikatsaka Itaosy Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nandritra izany no nanolorany baolina kitra isaky ny Kaominina nandray anjara izay miisa 26 ary nahitana ekipa 78, ho fanohanana ny fifaninana ary ho fampandrosoana ny sehatran’ny baolina kitra.
Anisan’ny kianja tena ampiasain’ny tanora sy mpanao fanatanjahan-tena ny Kianjan’Antanikatsaka ary ny Distrikan’Atsimondrano dia namoaka mpilalao sy klioba maro nanandratra ny voninahitr’i Madagasikara teo amin’ny sehatra afrikanina. Ka noho izany indrindra no nahatonga ny Fitondram-panjakana nanapa-kevitra hanamboatra ity Kianja ity ho lasa Kianja manarampenitra ka tsy hiandrasana ela ny hanatanterahana izany.
Isaorana manokana ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA izay nanolotra lelavola 10 tapitrisa ariary hoan’izay ekipa mivoaka ho tompondaka amin’ity fifaninanana ity.
Nankasitraka ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena ireo olom-boafidy teny an-toerana, toy ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny Tanàna rehetra eo anivon’ny Distrikan’Atsimondrano raha nandray ny fitenenana.