
Mizotra tsara ny fametrahana ireo rafitra rehetra ho fanomanana ny handraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara.
Tsy mitsahatra mikaon-doha miaraka amin’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Filohan’ny Komity Olaimpika Malagasy, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany.
Notanterahina ny talata 12 aprily ny fivoriana mahakasika ny ara-tekinika sy ireo rafitra apetraka handrindra izany lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izany.
Nojerena nandritra izany ny mahakasika ny fampivondronana ny mpanao fanatanjahantena, ny rafi-pitantanana rehetra handaminana ny fandraisana ny lalao ary ireo pitsopitsony rehetra izay natao hampirindra ny lamina rehetra apetraka.