
Tontosa io maraina io tao amin’ny CEMES Soanierana, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball.
Tonga nanatrika izany fifidianana izany, Atoa ANDRITERAKANDRIANA Aina, Talé misahana ny Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ny mpiara miasa aminy ary ny solon-tena eo anivon’ny Komity Olaimpika Malagasy (COM).
Kandida tokona (1) no nilatsaka ho fidiana, ka mbola voafidy hitantana izany federasionina izany indray hatramin’ny taona 2025 ny filoha teo aloha, Atoa RAMAROSON Jean Michel, izay lany tamin’ny isam-bato 21/21 avy amin’ireo ligy 21 tonga nifidy sy mbola nametraka fitokisana aminy.
Vina 5 no ho entiny miaraka amin’ireo ekipany ao antin’izany 4 taona manaraka izany:
1- Fanatsarana ny fitantanana amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ireo rantsa-mangaika rehetra misy manerana ny faritra 23 (Ligy sy section).
2- Fitadiavana loharanom-bola vaovao.
3- Fampivoarana sy fampiakarana ny ahavo teknikan’ny basket Malagasy.
4- Fampiroboroboana sy fanatsarana ny fifaninanana nasionaly.
5- Ny fikolokoloana ireo ekipam-pirenena ao amin’ny sokajin-taona rehetra.