Fiarahabana sy firariantsoa nataon’ireo mpiara-miasa an’i Ramatoa Minisitra lefitra

Tonga niarahaba tratry ny taona sy nitondra firariantsoa an’i Ramatoa RATOVOSON Juliana, Minisitra lefitra misahana ny Tanora, ireo solontenan’ny mpiara-miasa eto amin’ny Ministère de la Jeunesse et des Sports izay notarihin’ny Sekretera Jeneraly.
Nankasitraka izany ny Minisitra lefitra ary nanolotra teny firarian-tsoa ombam-pahombiazana ho an’ny mpiara-miasa rehetra.
© VMJ Janv 2022