FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Notontosaina ny 21 Martsa 2022, teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao TINOKA Roberto sy ny Minisitra teo aloha MAMOD’ALI Hawel ary ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora RATOVOSON Juliana.

Nisaotra ireo mpiara miasa taminy Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel nandritra izay 07 Volana nitantanany ity Minisitera ity, sehatra izay tsy vaovao taminy, ka nitso-drano ny mpandimby azy ny tenany amin’ny fanohizana ny andraikitra goavana izay ho sahanin’ity farany.

Torak’izay ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora.

Etsy andanin’izay dia fahavononana hanohy ny asa ary hamita haingana ireo fotodrafitrasa ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 no nanombohan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny fandraisam-pitenenany. Raha tsahivina dia efa nitantana an’ity Minisitera ity ny tenany teo aloha ary izao mbola niverina nametrahana ny andraikitra izao indray ka dia nisaotra an’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian ny tenany tamin’izany.

Anisan’ny fanamby napetrany ny hitondra ny fampandrosoana efa natomboka teto anivon’ny Minisitera mba hahazoana vokatra tsara amin’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny tanora ka hanatratrarana ny Vina napetraky ny fitondram-panjakana.