Fifamindram -pahefana

Tontosa soa amantsara tamin’ny fomba ofisialy sy tamim-piralahiana,  androany maraina tamin’ny 10 ora sasany  ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Ministry ny Tanora sy ny Alavoly,  Andriantiana Jacques Ulrich, Minisitra teo aloha sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Jean Anicet Andriamosarisoa, Minisitra vaovao,  teto Ambohijatovo.

Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ ny Minisitra Andriantiana  Jacques  Ulrich, niarahaba ny fahatongavan’ny Ministra vaovao dia  nanao tatitra fohy momba ny asa vita  hatramin’izay. Nankasitraka ireo mpiara miasa taminy izy ary nanamafy  fa nisy ny fahombiazana tamin’ izy ireo. Tsy nohadinoiny  ihany koa ireo mpiara miombon’antoka rehetra  niara-niasa tamin’ny ministera toy ny BIT, UNESCO, UNFPA, UNICEF, PNUD ,…, fikambanan’ny Tanora , “PPP”,  … tamin’ny ezaka sy fanampiana nataony ho fanomezana asa sy tombontsoa ho an’ny tanora. Nofaranany tamin’ny tsodrano  ny lahateniny, mba hitohy hatrany ny  fahombiazana sy  ny fiaraha miasa na dia natambatra  ho iray aza ny Ministera.

Tamin’ny lahateny  nataon’Andriamatoa  Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Jean Anicet Andriamosarisoa, Minisitra vaovao, dia nankasitraka tankitsipo sy nisaotra  tamin’ny fandraisana sy ny fanotronan’ireo mpiara miasa tonga marobe. Nanome toky ny tenany fa hanao ezaka hampandroso  ny Ministera hotantanany,  indrindra moa fa tsy ho ataony ankilabao ny  Departemanta ny Tanora  ary hametraka  amin’ny maha izy azy ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Anisan’ny tanjona napetraky ny Minisitra Jean Anicet Andriamosarisoa  ny fampandrosoana ny tanora miainga avy any ifotony. Hiezaka ihany koa  ny hitady famantsiambola amin’ireo mpiara miombon’antoka .

Nofaranana tamin’ny fialahana hetaheta moa ny lanonana.

SC/MJL