FIFANDRAISANA ARA-PANATANJAHANTENA SINO-MALAGASY

Ho tohin’ny fihaonana nisy teo amin’ny Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ny Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, Ramatoa GUO Xiaomei izay tena nahafa-po dia nisy ny fihaonana tamin’ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera izay notarihin’ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy Andriamatoa LIANG Shaomin, mpanolon-tsaina voalohany eo anivon’izany masoivoho izany, ho fanatanterahana ny tetikasa rehetra nifampiresahana izay miompana hatrany amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikara amin’ny taona ho avy.