
Ny faha 27 Novembra 2021, no nihaonan’Atoa Minisitra MAMOD’Ali Hawel tamin’Atoa Babak Amir-Tahmasseb, Tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny INSEP (Institut National du Sport de l’Expertise et de la Performance), izay nisolo tena ny Tale Jeneraly izay tsy teo an-toerana.
Novoizin’Andriamatoa Minisitra tamin’izany fa ny Velirano faha 13 momba ny Fanatanjahantena dia arahina asa hafa ankoatra ny foto-drafitrasa izay efa atao manerana ny nosy sy ny fanampiana ny mpanao fanatanjahantena.
Anisan’izany ny fampiofanana isan-karazany na ho an’ny mpitantatana izany na dokotera ara-panatanjahantena ary koa hoan’ ny mpanao fanatanjahantena. Eo amin’izay lafiny izay ihany no hisian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny INSEP amin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fanatanjahantena.
Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampiofanana mpampiofana (formation des formateurs) mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ny fahalalana ; hisy ihany koa fampiofanana amin’ny lafiny « Médecine du sports » izay tena ilain’ny fanatanjahantena tokoa ; ary ny fampiofanana ireo mpiasam-panjakana ambony mba hisitraka ny fahaizana amin’ny lafiny fikirakirana ny mahakasika ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’ny sehatra rehetra ary anisan’izany ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo sampana hafa amin’ny alalan’ny CREPS (Centre de Ressources, d’Expertise et de Performance Sportives).
Natao izany ho fanamafisana ny fahaiza-manao, mba hananana traikefa amin’ny fitantanana tsara kokoa ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena isankarazany izay handraisan’i Madagasikara anjara na eto an-toerana na any ivelany.
Raha namarana ny fandraisam-pitenenany Atoa Minisitra dia nanamafy ny fahavononan’ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa rehetra izay mitondra makany amin’ny vokatra tsara hatrany na eo amin’ny lafiny fitantanana izany, na eo amin’ny lafiny « performances « ny mpanao fanatanjahantena, ary farany amin’ny lafiny fitsaboana ara-panatanjahantena.