FIOFANANA SY FAMPIOFANANA TANORA MANKANY IVELANY

Manan-talenta sy fahaizana amin’ny lafiny maro ny Tanora Malagasy ary mamiratra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho amin’ny fahafahana misehatra eo amin’ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy ampahafantarina avokoa ary ampitoviana ny Tanora rehetra mba samy afaka handray anjara avokoa.

Ny « Article 13 » ny « Charte Africaine de la Jeunesse » momba ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fahaiza-manao dia milaza fa « Ny firenena izay mandray anjara amin’ity fifanarahana ity dia nanaiky hametraka fomba maromaro fisitrahana fampiofanana sy fanatsarana ny fahaizamanao, ao anatin’izany ny fahafahana misitraka drafipam-pianarana ivelany fampiofanana tranainy. »

Mba hahafahan’ny Tanora Malagasy rehetra tsy ankanavaka mandray anjara amin’izany sehatra izany dia nandray ireo Masoivohon’ny Tetikasam-piofanana, Vatsim-pianarana ho an’ny ambaratonga ambony izay ao anatin’ny fametrahana sy fampahafantarana ireo tolotra iraisam-pirenena afaka atao izay mifandraika amin’ireo fepetra takian’izy ireo tsirairay avy.

Nandritra ny fifanakalozankevitra natao dia samy resy lahatra ny rehetra ka dia isaorana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

1) AASEC ou Association des Alumni et Stagiaires de Chine

2) A3-Mada ou Australia Alumni Association

3) YALI Regional Leadership Center Southern Africa

4) The Tony Elumelu Foundation

5) African Union (Youth Envoy)

6) The Anzisha Prize

7) Women In Africa

8 ) Atlas Corps

9) Obama Foundation

10) Chevening Awards (FCDO)

Isaorana mialoha izy ireo amin’ny fahafoizantenany sy ny zotompo hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fanatrarana ireo tanjona izay napetraka.

Raha malagasy ianao, Alumni tamin’ny sehapiofanana iraisam-pirenena ka tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra ireo dia aza misalasala mifandray aminay fa tena mila ny fiaraha-miasa aminao izahay.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #DJRI #JeunesseEngagée #RayonnementInternational #JeunesseMalagasy

#AASEC #3A_Mada #YaliRlcSa #TEF #AnzishaPrize #WIA #AtlasCorps #UA #YouthEnvoy #ObamaLeader #Chevening