Fisorohana ny fihanaky ny Covid-19 eto Toliara: Tsinjovina mialoha ireo mpikarakara marary

Vary 50 gony sy savony 50 baoritra no natolotry ny Centre Opérationnel COVID-19 eto Toliara hoan’ireo mpikarakara marary eny amin’ny Hôpital manara-penitra.Hetsika izay notarihin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritan’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto sy ireo olom-boafidy ary ireo manam-pahefana aty an-toerana.Ankoatr’ireo dia mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fisorohana ny fihanak’ity valaranetina Covid-19 ity.