
Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Tahina Juliana Ratovoson niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Tanora DRJS Atsinanana nandray an-tanana ity tranobe an’ny tanora ity mialoha ny hitokanana azy.
Nanatrika izany fotoana izany ny Solombavambahoakan’ny Vatomandry, ny Sekretera Jeneraly ny Faritra Atsinanana, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanàna sy ireo Tanora.
|