
Fihaonana tamin’ny Tale Jeneraly lefitra
Ny talata faha 23 novambra 2021, no nihaona tamin- dRamatoa Gabriela Ramos, Tale lefitra misahana ny siansa sosialy sy maha olona eo anivon’ny UNESCO ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel.
Nivoitra nandritra ny fihaonana ny maha zava-dehibe amin’ny UNESCO ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Vonona hatrany hanohana ireo tetik’asa mahakasika ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny ny alalàn’ny fampiofanana izy ireo ary nohamafisiny ny fanapariahana ny tetikasa vaovao FIT FOR LIFE na koa » SPORT POUR LA VIE » na » FANATANJAHANTENA HO AN’NY FIAINANA MANONTOLO », izay nanehoan’ny UNESCO ny faniriany hanatanterahana fivoriana rejionaly ho fampiharana aty Afrika ny FIT FOR LIFE izay lasa sori-dalana amin’ny fampiharana ny drafitry ny hetsika KAZAN izay i Madagasikara no firenena nikarakara ny fihaonam-be voalohany mifandraika tamin’izany.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Atoa Minisitra no nanasongadinany ny fahavononan’ny Ministera amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa, ary nanamafisany ny politika napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mahakasika ny fampandrosoana ny sehatry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ny fametrahana ireo foto-drafitrasa ara-panatanjahantena isankarazany sy ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena Malagasy, ny fanentanana ny daholobe hanao fanatanjahantena izay anisany antoky ny fahasalamana ary ny fampananana asa ny tanora.
Noresahiny ihany koa ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny resaka foto-drafitrasa mifanampy amin’ireo efa ataon’ny Fanjakana Malagasy.
Zava-dehibe hoy izy ny programan’asa napetraky ny UNESCO ho fitsinjovana ny ara-pahasalamana ny daholobe amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ka hanosika ny tsirairay ho mavitrika amin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitra.
Noho izany dia miombon-kevitra amin’ny UNESCO ny tenany amin’ny hanatanterahana fivoriana aty Madagasikara ho tohin’ ny fihaonam-be izay efa nokarakaraina. Fivoriana izay nanasana manokana ny Tale Jeneralin’ny UNESCO ka nahazoana valiny mahafa-po.
Teo am-pamaranana dia nisaotra ny tompon’andraikitra tehetra eo anivon’ny UNESCO Atoa Minisitra tamin’ny fandraisana sy ny dinikasa rehetra zay natao ho fampandrosoana hatrany ny tontolon’ny tanora sy Fanatanjahan-tena.