HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA

Notanterahana ny 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ny alalan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, notarihan’ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana.

« MALAGASY MIRAY HINA, MADAGASIKARA MANDROSO »