JIOI 2023: FAHATONGAVAN’IREO ATLETA MALAGASY NISITRAKA FIOFANANA TANY CHINE

Nigadona ny 18 jona 2023 ihany koa ireo andiany faharoa tamin’ireo atleta nisitraka fiofanana tany Chine izay fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahana eto Madagasikara.

Atleta miisa 8 avy amin’ny taranja Badminton, 8 avy amin’ny taranja Tennis de table, miampy mpanazatra iray avy ary tompon’andraikitra ara-taratasy 1 no mandrafitra ny delegasiona.

Tonga nitsena azy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena  an’Andriamatoa  Minisitra André Haja RESAMPA.