JUDO: COUPE DE MADAGASCAR 2022

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2022 eo amin’ny taranja Judo izay tontosaina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, Andriamatoa RABARINALA Thierry , Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports(ANS), izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary notronon’ireo Tale eo anivon’ny Minisitera, ny zoma faha-15 Aprily 2022.

Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampitany ny firariantsoa avy amin’Atoa Minisitra ary nanamarihany fa eo akaikin’ny mpanao fanatanjahantena mandrakariva ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny fifaninanana toy izao izay tena zava-dehibe manoloana ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 amin’ny taona 2023.

Nankasitraka an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo ary nampanantena ny tenany fa hanome ny vokatra tsara indrindra.