LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL 3×3

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin’ny sokajy lahy sy vavy eo amin’ny taranja Basketball 3×3 mandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11.

Nanatrika ny lanonana fanolorana medaly ho an’ireo Atleta ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Filohan’ny Komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy.