PING PONG POUR TOUS: FAMARANANA ARA-POMBA OFISIALY NY FANOFANANA IREO MPANABE

Tontosa ny faha 15 aprily 2022, tetsy amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha, ny famaranana ara-pomba ofisialy ny fiofananan’ ireo mpanabe izay hirotsaka eny ifotony hivohy ny etika sy fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny « Ping Pong pour Tous ».

Nisy andiany roa ny fiofanana izay naharitra roa herinandro ary mitotaly 46 ireo nisitraka ny programa, izay fiaraha-miasa niarahana tamin’ny Commune Urbaine d’Antananarivo sy ny Academie Nationale des Sports .

Nisaotra an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo ONG izay namolavola ity programan’asa ho fanohanana sy fanomezan-danja ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ity ny Tale jeneralin’ny ANS, Andriamatoa RABARINALA Thierry nandritra ny fandraisany fitenenana.