
Notanterahana tao amin’ny kianja monisipaly Arivonimamo ny 9 aprily 2025 ny hetsika baolina lavalava an-tsekoly tamin’ny alalan’ny tetikasa “Rugby Rising Play”. Nandray anjara tamin’izany ny sekoly miisa valo tao amin’ny SISCO Arivonimamo. Natao indrindra izao hetsika izao mba hampiroboroboana ny taranja baolina lavalava ho an’ny ankizy sy tanora any an-tsekoly ary natao koa hanentanana ireo mpianatra hitia sy hanao fanatanjahantena.
Ny tetikasa “Rugby Rising Play” dia tetikasa novolavolain’ny Federasiona Malagasy ny rugby izay iaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena any Itasy. Marika hita maso ity tetikasa ity amin’ny lanja apetraky ny Minisitera amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena any an-tsekoly ary indrindra natao hikolokoloana ireo tanin-ketsan’ny fanatanjahantena. Tsara marihana fa anisan’ny nomen-danja tamin’ity hetsika ity ireo zatovovavy.
Tonga nanotrona izany tany an-toerana ny tale misahana ny fanomanana ny taninketsan’ny fanatanjahantena sy ny tale misahana ny fanohanana ny fanatanjahantena avo lenta eto anivon’ny minisitera.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTAPHA Abdulah dia manohana hatrany ny tetikasa fampiroboroboana ny fanatanjahantena ho an’ny ankizy sy ny tanora tahaka izao mba ahafahana manandratra avo ny fanatanjahantena sy hampiakatra ny lentan’izany eto Madagasikara.