TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy izay mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja « Tsipy Kanety Be » izay atao ao Santa Sussana, Espana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Atoa MAMOD’ALI Hawel sy ireo mpiara miasa aminy.

Ny faha 23 novambra izao indray no mitohy ny fivoriana izay iarahana amin’ny UNESCO koa teo anelanelan’izay no nahafahana nanatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena.

Zava-dehibe ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena ny fanotronana azy ireo mivantana. Natao izany tamin’ny Barea, ny lalaon’ny Nosy tany Morisy, ny Lalao afrikanina tany Maroc izay mampiseho fa tsy misy latsa-danja ny fanohanana ekipam-pirenena.

Anisany tonga maro ny Diaspora Malagasy izay monina aty ivelany (Paris, Marseille, Lyon, Aix en Provence) ary mahavelom-bolo izany satria anisany hery fanampiny ho azy ireo hiatrika ity fifaninana ity.

Isaorana manokana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA manohana hatrany ny ekipam-pirenenana sy ny fanatanjahan-tena Malagasy.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena dia vonona mandrakariva hanohana sy hanampy ireo mpanao fanatanjahan-tena rehetra mba ahafahan’izy ireo mametraka ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary midera azy ireo amin’ny vokatra sy ezaka hoetin’izy ireo ho reharehan’ny firenena.